FILAZANA SY FAMPATSIAHIVANA

                                                                                                 FILAZANA

ILAZANA NY BE SY NY MARO FA NY FIFANINANANA ANDRAISANA HO MPIANATRA « COMMISSAIRES DE POLICE, OFFICIERS DE POLICE, INSPECTEURS DE POLICE ARY AGENTS DE POLICE » TAONA 2020 – 2021 DIA EFA NISOKATRA KA HIFARANA NY 20 JANOARY 2021. KOA ISIKA MANIRY HANDRAY ANJARA AMIN’NY FIFANINANANA DIA IANGAVIANA HANANTONA NY SERVICE CENTRAL DE RECRUTEMENT AO AMIN’NY DIRECTION GENERALE DE LA POLICE NATIONALE ANOSY HO AN’NY ETO ANTANANARIVO ARY ANY AMIN’NY DIRECTION REGIONALE DE LA SECURITE PUBLIQUE ISAM-PARITRA HO AN’NY IVELAN’ANTANANARIVO HAKA NY ANDININDININY MIKASIKA IZANY. AZA MIANDRY NY FOTOANA FARANY VAO MISORATRA ANARANA.

FAMPATSIAHIVANA :

– ALOHAN’NY FAMETRAHANA NY ANTONTAN-TARATASY FILATSAHANA HO MPIFANINANA NO MIREFY NY KANDIDA,

– MITONDRA FANAMARINANA FITONDRANTENA « IMPRIME CERTIFICAT DE BONNE CONDUITE » ANY AMIN’NY

FOKONTANY NY KANDIDA, KA NY FILOHAN’NY FOKONTANY NO MAMENO IZANY ARY MANAO IZANY ANATY VALOPY

MIHIDY TSARA,

– MITONDRA « CERTIFICAT DE TOISE », « IMPRIME FICHE MEDICALE CM1 », VALOPY CRAFT A4 IRAY ARY

KARAPANONDROM-PIRENENA NY KANDIDA MANATANTERAKA « VISITE MEDICALE CM1» ANY AMIN’NY CSB II NO

MIAKATRA, KA NY DOKOTERA NO MAMENO IZANY ARY MANAO IZANY ANATY VALOPY MIHIDY TSARA,

– NY ANTONTAN-TARATASY FENO ARA-DALANA IHANY NO HO RAISIN’NY TOMPON’ANDRAIKITRA EO ANIVON’NY

POLISIM-PIRENENA MISAHANA NY FANORATANA ANARANA.

FILAZANA SY FAMPATSIAHIVANA

TOROLALANA HO AMIN’NY FANDRAISANA ANTONTAN-TARATASIN’NY FILATSAHANA HO MPIADINA AMIN’NY FIFANINANANA HIDIRANA HO MPIANATRA HO POLISY TAONA 2020-2021

FEPETRATAKIANAAMIN’NY KANDIDA(Hita ao amin’ny Arrêté arakarakany sokajy hidirana)

FANDRAISAN’NY TOMPONANDRAIKITRY NY POLISY NY ANTONTAN-TARATASIN’NY KANDIDA

– FICHE D’INSCRIPTION AU RECTO:

     – Raisin’ny Tompon’andraikitra ny “Fiche d’inscription“efa nofenoin’ny kandida ny faritra rehetra tokony ho fenoiny.

     – Anontaniana tsara ny kandida ny:

          – Sokajim-panadinana “Niveau et Catégorie”izay ataony (ECPP, ECPD, EOPP,EOPD,EIPP,EIPD,EAPD na EAPE),

          – Ivom-panadinana “Centre d’Examen” nosafidiny,Galona “Grade”sy ny toeram-piasany raha toaka polisy izy.

          – Hamarinina amin’ny alalan’ny kara-panondrom-pirenen’nykandida“CIN” na anotaniana azy izay voasoratra rehetra ao amin’ny lohanteny “Titre C”,

          – Hamarinina amin’ny alalan’ny mari-pahaizan’ny kandida “Diplôme” na anotaniana azy izay voasoratra rehetra ao amin’ny lohanteny “Titre D”,-Hamarinina amin’ny alalan’ny fanotaniana atao amin’ny kandida nyvoasoratra rehetra ao amin’ny lohanteny “Titre E”,

         – Hamarinina raha feno ara-dalàna ny Daty sy ny Sonia.

         – Fenoin’ny Tompon’andraikitra tsara ny faritra natokana ho fenoiny “Partie réservée à l’Administration”:

     datin’ny fandatsahana ny antontantataratasy,

     Halavan’ilay kandidaamin’ny alalan’ny fijerena ny “certificate de toise”,

     Daty nahaterahan’ny kandida,

     Fanamarihana ankapobeny raha misy,

     Ny laharan’ny fandraisana ny antontan-taratasyho fanamarinana fa nahapetraka ny antontantaratasiny ny kandida.

          – Tsy tokony ho adino mihitsy ny manoratrany mombamomba ilay Tompon’andraikitra miaraka amin’ny soniany.

          – Avela ho banga kosa ny faritra natokana ho an’ny Tompon’andraikitry ny “Saisie du dossier”.

      FICHE D’INSCRIPTION AU VERSO :

         – Faritra natokana ho an’ny Tompon’andraikitra amin’ny fandraisana ny antontan-taratasy,

        – Asaina atolotry ny kandida tsirairay avy ireo antontan-taratasy voalaza ireo,

        – Anjaran’ny Tompon’andraikitra ny mijery sy manamarina ilay antontan-taratasy, ary manisy marika “cochage”amin’ny tsanganana faharoa amin’ny fafana (tabilao) raha toa ka misy nyantontan-taratasytakiana,

        – Raha misy fanamarihana manokana dia soratana amin’ny faritra mifanandrify izany,indrindra indrindrany antontan-taratasy mampiahiahy,

ohatra: diploma mampiahiahy,-Rehefa vita ny fanamarinana rehetra dia atao ao anaty “Enveloppe craft de grand format” izay efa voalaza tamin’ny antontan-taratasy ilaina ihany ny antontan-taratasy rehetra, ankoatra ny “Fiche d’inscription” iray izay efa voafeno,

         – Hidina tsara ilay valopy ary soratana eo ivelany ny anaran’ny kandida sy ny sokajim-panadinana “Niveau et Catégorie” izay ataony ary ny ivom-panadinana “Centre d’Examen” nosafidiany

         – Paingorona tsara eo amin’ny volopy amin’ny “agrapheuse” io “Fiche d’inscription”.

FANDEFASANA NY ANTONTAN-TARATASY REHETRA ATY AMIN’NY SERVICE CENTRAL DU RECRUTEMENT AUPRES DE LA DIRECTION DES RESSOURCES HUMAINES DU MINISTERE DE LA SECURITE PUBLIQUE

  – Atao fatorana samihafa araka ny sokajim-panadinana “Catégorie” sy ny ivom-panadinana “Centre d’Examen” ny antontan-taratasy, ka asiana “Bordereau d’envoi”miaraka aminy.

                                    Contact: 034 05529 43Chef de Service Central du Recrutement.