TOROMARIKA HO AN’NY MPIADINA AFAKA TAMIN’NY FANADINANA FIHODINANA VOALOHANY KA HIATRIKA NY FANADINANA FIHODINANA FAHAROA AMIN’NY FIFANINANA HANDRAISANA MPIANATRA HO POLISY

TAONA 2020-2021                                                                                                                                                                                                                Toromarika

1- TOROMARIKA ANKAPOBENY :

– Ny fanadinana fihodinana faharoa dia ho tanterahana manomboka ny 31 mai 2021 ka hatramin’ny 03 jona 2021 amin’ireto foibem-panadinana miisa 11 manaraka ireto : ANTANANARIVO, TOAMASINA, ANTSIRANANA, MAHAJANGA, FIANARANTSOA, TOLIARA, ANTSIRABE, AMBOSITRA, MANAKARA, MORONDAVA ARY TOLAGNARO. Koa izay mpiadina afaka tamin’ny fanadinana fihodinana voalohany, na inona na inona sokajim-panadinana misy azy,  tao amin’ireo toerana ireo dia ao ihany izy no manao ny fanadinana fihodinana faharoa.

– Mikasika ny mpiadina afaka fanadinana fihodinana voalohany tamin’ireo foibem-panadinana hafa kosa dia toy izao manaraka izao :

– Izay afaka tao amin’ny foibem-panadinana Ambatondrazaka dia manao ny fihodinana faharoa ao amin’ny foibem-panadinana TOAMASINA;

– Izay afaka tao amin’ny foibem-panadinana Sambava dia manao ny fihodinana faharoa ao amin’ny foibem-panadinana ANTSIRANANA ;

– Izay afaka tao amin’ny foibem-panadinana Antsohihy dia manao ny fihodinana faharoa ao amin’ny foibem-panadinana MAHAJANGA;

– Manatona ny « Direction Régionale de la Sécurité Publique (DRSP) » misy ny foibem-panadinana hanaovany fanadinana fihodinana faharoa ny mpiadina afaka tamin’ny fanadinana fihodinana voalohany manomboka ny 28/05/21, hijery ny « Groupe de candidat » misy azy sy ny fandaharam-potoana ary ny toerana hanaovana ny fanadinana.

– Ny andinindininy mikasika ny fanadinana, toy ny taranja hanadinana, dia mila mijery ny Arreté Interministeriel N° 28329–28330–28331-28332 /2020 tamin’ny 26/11/2020 ny mpiadina, izay hita ao amin’ny “site web de la Police Nationale” : https://www.pn.gov.mg. Na koa ao amin’ny « Facebook » pejy « POLISIM-PIRENENA MALAGASY »

– Mandritra ny fotoam-panadinana dia tsy maintsy mitondra « Carte d’Identité Nationale » sy manaja ny fepetra rehetra mikasika ny hamehana ara-pahasalamana toy ny fitondrana aro vava sy orona, ny elanelana 1metatra, ny fihetsika tokony sy tsy tokony atao.

2- MIKASIKA NY “VISITE MEDICALE CM2” :

– Ny “Fiche Médicale” (CM2) dia tsy azon’ny mpiadina sokafana fa atolotra ny tompon’andraikitry ny fanadinana rehefa manao ny adina am-bava. Ampatsiahivina ny mpiadina fa amin’ny « Centre Hospitalier Régional (CHR) » sy « Centre Hospitalier Universitaire (CHU) » irery ihany no hanaovana izany.

3- MIKASIKA NY “CONTRE-TOISE” :

– Ny “Contre-Toise” dia ho tanterahina amin’ny mpiadina mandritra ny andro hanaovana ny fanadinana.

4- MIKASIKA NY “ENQUETE DE MORALITE”

– Afaka manao izany amin’ny « Direction Régionale de la Sécurité Publique (DRSP) akaiky azy ny mpiadina hatramin’ny 30/05/21.

5- SAMIHAFA :

– Raha mila fanazavana fanampiny dia manantona ny « Service Central du Recrutement” Anosy Antananarivo na ny « Direction Régionale de la Sécurité Publique (DRSP) » isam-paritra.