TOROMARIKA HO AN’NY MPIADINA AFAKA TAMIN’NY FANADINANA FIHODINANA VOALOHANY KA HIATRIKA NY FANADINANA FIHODINANA FAHAROA AMIN’NY FIFANINANA HANDRAISANA MPIANATRA HO POLISY MIISA 1250

                   TAONA 2020-2021                                                                                                                                                        Certificat Médical « CM2 » 

1- MIKASIKA NY “VISITE MEDICALE CM2” :

– Manao “photocopie” ny “Fiche Médicale” (CM2) ambadika sy ambadika « recto-verso » izay alaina amin’ny “site web de la Police Nationale” : https://www.pn.gov.mg, na ao amin’ny “Service Central du Recrutement auprès de la Direction Générale de la Police Nationale (DGPN)” Anosy Antananarivo, na ao amin’ny “Direction Régionale de la Sécurité Publique (DRSP)” akaiky azy ny mpiadina ;

– Mandeha manao fizaham-pahasalamana ao amin’ny Hôpital Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA) Anosy Antananarivo ho an’ny mpiadina ao Antananarivo, ary ao amin’ny “Centre Hospitalier Régional” (CHR) na “Centre Hospitalier Universitaire” (CHU) akaiky azy kosa ho an’ny mpiadina isam-paritra, ka mitondra ilay fiche CM2 sy valopy A4 iray ary kara-panondro, ka mampiseho izany ny dokotera ;

– Rehefa vita ny fizaham-pahasalamana dia fenoin’ny dokotera ny fiche CM2 ka ataony anatin’ilay valopy A4 mihidy tsara (confidentiel) ary omena ny mpiadina ;

– Tsy azon’ny mpiadina sokafana io valopy io ary tandremana tsara mba tsy hisy fahasimbana, ka entiny amin’ny andro hiatrehany ny fanadinana fihodinana faharoa.

2- MIKASIKA NY “CONTRE-TOISE” :

– Atao “Contre-Toise” ny mpiadina tsirairay mandritra ny fanatanterahana ny fanadinana fihodinana faharoa, arakaraky ny fandaharam-potoana omen’ny mpampanao ny fanadinana.

3- MIKASIKA NY “ENQUETE DE MORALITE”

– Mila atao “Enquête de moralité” avokoa ny mpiadina tsirairay mbola tsy “Fonctionnaire de Police”, ka tsara raha manontany ao amin’ny “Service Central du Recrutement auprès de la DGPN” Anosy Antananarivo, na amin’ny DRSP akaiky ny toeram-poneny miaraka amin’ny “Certificat de résidence” izy.

                                                                                                                                                                                                                                        Toromarika