🔹 Ady amin’ny herisetra sy fanolanana
âś… Naharay antso avy amin’olona tsara sitrapo ny Polisy avy ao amin’ny Poste de Police Antaniavo Antohomadinika fa misy lehilahy iray mamo nikasa hanolana ny anabaviny izay efa marary tsy afa-mietsika eo am-pandriana, mbola anaovany herisetra sy nodorany tamin’ny labozia hiany koa ilay marary.
âś… Tonga teny an-toerana haingana ny Polisy ny 14 novambra 2025 ary nisambotra ity lehilahy ity. Nentina eny amin’ny sampandraharaha miady amin’ny amin’ny Heloka Mamoafady sy miaro ny Zaza tsy ampy taona ary ny Olona marefo eny Tsaralalana moa izy hanokafana fanadihadiana.

LEHILAHY IRAY NO VOASAMBOSITRY NY POLISIMPIRENENA NOHO NY FIKASANA HANOLANA SY FANAOVANA FAMPIJALIANA

Vous pourrez aussi aimer