– Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana.
– Jiolahy raindahiny iray , malaza ratsy amin’ny asa fanendahana sy karazana halatra maro miampy herisetra, no maty voatifitry ny Polisimpirenena avy ao amin’ny CUI sy UIR Tsaralalàna, ny alin’ny 14 Janoary 2026, teny Ambodivona, tao anatin’ny hetsika manokana.
– Tratra ambodiomby nanendaka olona nirava avy niasa teny amin’ny faritra manodidina ny JIRAMA Ambodivona izy no nifanehatra tamin’ireo Polisy manao fanamiana sivily.
– Antso vonjy nataon’ilay lasibatra no nanaitra an’ireo Polisy izay efa teny amin’ny manodidina nanara-maso sy manao fisafoana ka raikitra ny fifanenjehana. Teo am-pisamborana azy dia nanohitra sady namoaka antsy be teny aminy mba hamelezana ny Polisy ity jiolahy ity no naha voatifitra azy. Tsy tana ny ainy noho ny ratra mafy nahazo azy.
– Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny Polisimpirenena hampihenàna ireo trangana tsy fandriampahalemana miseho eto Antananarivo Renivohitra.
– Miantso ny olom-pirenena rehetra kosa ho mailo noho ireo ratsy tsy kely lalana ary hitoroka avy hatrany ireo olon-dratsy miery any anaty fiarahamonina.
