📢📘 TORO-MARIKA HO AN’NY MPIADINA HIATRIKA NY FANADINANA FIHODINANA VOALOHANY HANDRAISANA MPIANATRA HO POLISY – TAONA 2025
📅 Datin’ny adina an-tsoratra : SABOTSY 31 Janoary sy ny ALAHADY 01 Febroary 2026
👮‍♂️ Manatona ny Tompon’andraikitry ny Polisim-pirenena misy ny Foibem-panadinana ny mpiadina manomboka ny TALATA 27 Janoary 2026 mijery ny lisitr’ireo nahafeno fepetra ara-dalàna tamin’ny filatsahana ho mpiadina ka afaka miatrika ny fanadinana miaraka amin’ny laharan’ny « SALLE » hiadinany ny mpiadina, ka :
🏢 HO AN’NY MPIADINA AMIN’NY FOIBEM-PANADINANA ANTANANARIVO dia ao amin’ny « Service Central du Recrutement » ANOSY ANTANANARIVO ;
🌍 HO AN’NY MPIADINA IVELAN’NY FOIBEM-PANADINANA ANTANANARIVO kosa dia isaky ny « Direction Régionale de la Sécurité Publique » misy ny Foibem-panadinananan aovan’ny mpiadina ny fisoratana anarana.
📄 Ny « CONVOCATION » ho an’ny mpiadina nahafeno ny fepetra ara-dalàna ka afaka miatrika ny fanadinana dia azo alaina amin’ny Foibem-panadinana nanaovana ny fisoratana anarana ka ny karapanondro sy ny « récépissé » tamin’ny nametrahana ny antontan-taratasy no entina maka izany.
📑 Ny « LETTRE DE REJET » ho an’ny mpiadina tsy nahafeno ny fepetra ara-dalàna ka tsy afaka miatrika ny fanadinana dia azo anontaniana ihany koa amin’ny Foibem-panadinana nanaovana ny fisoratana anarana, ka ny karapanondro sy « récépissé » tamin’ny fametrahana ny antontan-taratasy (ampiana « photocopie ») no entina maka izany.
📝 Raha toa ka misy fanitsiana na fitarainana ataon’ny mpiadina dia ao amin’ny Foibem-panadinana nanaovana ny fisoratana anarana, miaraka amin’ny « photocopie » ‘ny karapanondro sy « récépissé » tamin’ny fametrahana ny antontan-taratasy, no anaovana izany.
✍️ Mandritra ny fotoam-panadinana rehetra dia tsy maintsy mitondra Karapanondrom-pirenena, « Convocation », STYLOS ary REGLE ny mpiadina tsirairay avy, ka ny fiantsoana anarana isaky ny « salle » dia amin’ny 8 ora ny maraina ary amin’ny 1 ora tolakandro ny hariva.
⚠️ Tandremo ny hosoka sy ny fampiasana hosoka mandritra ny fotoam-panadinana fa ho enjehina araka ny lalàna manankery.
ℹ️ Raha mila fanampim-panazavana dia manatona ny Tompon’andraikitra eo an-toerana.
🙏 MISAOTRA TOMPOKO