Tomombana avokoa ny fanomanana ny Zaikabe andiany faha 4 karakarain’ny FIVAPOVA any Toamasina ny 30 Jolay 2025 – 3 Aogositra 2025. Efa tonga any an-toerana avokoa ireo mpizaika maherin’ny telo arivo avy amin’ny lafy valon’ny Nosy.
✅Nisy ny fitsidihana nataon’ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala sy Ramatoa vadiny, Faniry RAKOTOARIMANANA izay sady filoham-boninahitry ny fikambanana FIVAPOVA.
✅Nirary soa, nisaotra, fa indrindra nankahery an’ireo mpikamba FIVAPOVA sy ireo komity mpanomana ny Zaikabe Andriamatoa Minisitra mivady nandritra ny fitsidihany ireo toerana itobian’ireo mpizaika ao Toamasina.
ZAIKABEN’NY FIVAPOVA ANDIANY FAHA 4 ANY TOAMASINA, NISAOTRA ARY NANKAHERY IREO MPIKARAKARAKA NY MINISITRY NY FILAMINAMBAHOKA SY NY VADINY