Polisimpirenena miaro sy manampy ny vahoaka
-Nandritra ny fisafoana mahazatra ataon’ny Polisimpirenena ao an-tanànan’i Mahajanga ny alin’ny 23 Aogositra 2025 no nahita zaza lahy manodidina ny 3 taona, manana fahasembanana, izay tavela irery teo anoloan’ny tranoben’ny varotra sy ny indostria ireo Polisy.
-Nentina avy hatrany teny amin’ny hopitaly izy mba hahazo fitsaboana.
-Ny sampan-draharahan’ny Polisy miady amin’ny heloka mamoafady sy miaro ny zaza ary ny olona marefo no mandray an-tanana azy ahafahana mitady ny raimandrenin’ity zaza ity na mametraka azy any amin’ny akany.