– Notanterahina ny 27 sy 28 Novambra 2025 tao amin’ny hefitrano malalaky ny biraon’ny Fitaleavan’ny Fikarohana sy ny Fampiofanana mitohy (DRFC) eny Antanimora ny fampiofanana ireo Polisimpirenena avy amin’ny sampandraharaha samihafa, mahakasika ny herisetra mifototra amin’ny maha-lahy na maha-vavy (VBG) ary ireo herisetra hita any anaty internet (cyberviolence). Ny Fitaleavan’ny Fikarohana sy Fampiofanana mitohy (DRFC) sy ny Brigade Feminine de Proximité (BFP) no nikarakara izao fampihofanana izao, izay tafiditra indrindra ao anatin’ny 16 andron’ny ady amin’ny herisetra sy ny fanilikilihana.
– Manampahaizana manokana avy eto anivon’ny Polisimpirenena momba ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy maha vavy ary ny herisetra hita amin’ny internet na ny tambajotran-tserasera no nitarika izao fihaonana izao.
– Polisy avy amin’ireo sampan-draharaha maro eto anivon’ny Polisimpirenena no manaraka ity fampiofanana ity ka Polisy miisa 12 avy amin’ny BFP, 06 avy amin’ny PMPM, 12 ny avy ao amin’ny DRSP Analamanga, iray ny avy ao amin’ny SUT sy ny BAC.
– Tanjona amin’izao hetsika izao dia ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo Polisy ho fiarovana sy fanomezan-danja ny zon’ny ankizy sy ny vehivavy, ary fijerena akaiky azy ireo raha misy trangana herisetra mianjady aminy.

FAMPIOFANANA NY POLISIMPIRENENA MIKASIKA NY ADY AMIN’NY HERISETRA MIFOTOTRA AMIN’NY MAHA LAHY NA MAHA VAVY (VBG) SY NY HERISETRA ANATY INTERNET.

Vous pourrez aussi aimer