– Ady amin’ny fisandohana andraikitra
– Voasambotry ny Polisy misahana ny heloka bevava (Brigade Criminelle) Anosy ny tambazotrana mpanao ratsy izay nisandoka ho mpitandro filaminana. Ny fomba fanaony dia manatitra taratasy fiantsoana sandoka amin’olona izay efa fantatr’izy ireo mialoha.
– Vantany vao mahazo ilay taratasy sandoka ho fiantsoana ilay lasibatra dia misy olona iray hafa milaza fa mahafantatra manam-pahefàna ka afaka « mandamina ny raharaha » ary mitaky vola be ho takalon’izany.
– Ankoatran’izay efa voa dia olona roa samy hafa no nametraka fitoriana amin’ity raharaha ity teny amin’ny BC Anosy. Nanao ny fanadihadiana sy fikaroham-baovao ary nametraka vela-pandrika ny Polisin’ny BC ka olona efatra, vehivavy ny iray, izay samy nandray anjara tamin’ity raharaha maloto ity no voasambotra nanomboka ny 25 ka hatramin’ny 29 Novambra 2025 lasa teo.
– Taorian’ny fiakaran’izy ireo Fampanoavana ny 1 Desambra 2025 dia nidoboka am-ponja teny Antanimora avokoa izy efatra.
