👉 Lehilahy iray 28 taona, no nosamborin’ny Polisy tao Ambilobe izay voarohirohy tamin’ny raharaha halatra moto.
🚓 Ny alin’ny 02 Jona 2026, naharay antso momba ny fisian’ny ady tao amin’ny Bar iray tao Anoronala ny Polisy. Raha tonga teny an-toerana izy ireo dia nahatsikaritra fa isan’ilay olona efa notadiavina noho ny raharaha halatra moto tany Andoharano Ambanja ny iray, ary mbola nitondra moto nampiahiahy ihany koa izy tamin’io fotoana io.
🏛️ Nentina natao fanadihadiana tao amin’ny Kaomisarian’Ambilobe izy ka niaiky fa nikasa hangalatra moto hafa tao an-toerana. Tamin’ny fisavana ny trano fandraisam-bahiny nipetrahany dia nahitana moto roa hafa izay efa nisy fanovana, ka moto telo no tratra niaraka taminy. Efa tonga nametraka fitoriana kosa ireo tompon’ny moto telo tratra tamin’ity raharaha ity.
🗣️Taorian’ny famotorana dia natolotra ny Fampanoavana ny 05 Jona 2026 izy ary voatazona am-ponja vonjimaika

AMBILOBE : MPANGALATRA MOTO VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA, MOTO TELO NO SARONA TENY AMINY

Vous pourrez aussi aimer