👉 Lehilahy iray 24 taona no tratra ambodiomby teo am-pangalarana ny vata mpitahiry herinaratra izay mampandeha ny jiro manazava ny lalam-baovao Ambohitrimanjaka, ny harivan’ny Alahady 07 Jona 2026.
🔋⚡Teo am-pisokirana ny toerana misy ireo vata mpitahiry herinaratra izy no tsikaritr’ireo mpiambina teny an-toerana ka niantsoan’izy ireo ny Polisimpirenena izay tonga haingana nisambotra azy.
🏛️ Nentina avy hatrany natao fanadihadiana tao amin’ny biraon’ny Polisy izy. Nandritra ny fisavana natao taminy dia nahitana fonosan-drongony ihany koa teny aminy.
🎯 Voaporofo amin’izao fa mitarika amin’ny fandikan-dalàna toy ny halatra sy fanimbàna fananana iombonana ny rongony ka tsy mikely soroka ihany koa ny Polisimpirenena manao izay hamongorana izany.
⚖️ Mitohy ny fanadihadiana momba ity raharaha ity, ary hatolotra ny Fampanoavana aorian’ny famotorana savaranonando ataon’ny Polisy. Ankasitrahana hatrany ny fanomezan-tanana avy amin’ny olom-pirenena ka hahitĂ na vokatra tahaka izao.

AMBOHITRIMANJAKA : LEHILAHY IRAY TRATRAN’NY POLISY AMBODIOMBY NANGALATRA VATA MPITAHIRY HERINARATRA AMIN’IREO JIRO MPANAZAVA NY LALAM-BAOVAO

Vous pourrez aussi aimer