⚖️ Ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina.
👮 Tao anatin’ny hetsika fanamafisana ny ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina no nahafahan’ny Polisimpirenena tao amin’ny SRPJ Atsinanana nisambotra ity lehilahy iray ity ka nahatratra rongony miisa 13 fehy, sahabo ho 2 kilao, ny zoma 06 Jona 2026.
🔎 Taorian’ny fahazoana angom-baovao avy amin’ny olona tsara sitrapo dia nanao fanaraha-maso sy fikarohana ireo ny Polisimpirenena. Vokatr’izany no nahitana sy nahatrarana ity rongony ity tao amin’ny fokontany Tananambo, ny harivan’io andro io ka nosamborina avy hatrany ity lehilahy iray ity izay nahatratra io zava-mahadomelina io.
📋 Nentina teny anivon’ny kaomisaria ilay voasambotra ho tohin’ny fanadihadiana. Ankasitrahana hatrany ny mpanome vaovao amin’ny fahatokisana ny mpitandro ny filaminana izay manao ny ezaka rehetra hampisy ny fandriam-pahalemana maharitra eny anivon’ny fiarahamonina.

TOAMASINA : LEHILAHY IRAY NAHATRATRARANA RONGONY MILANJA 2 KILAO, TRA-TEHAKA TAMIN’NY HETSIKA NATAON’NY POLISY

Vous pourrez aussi aimer