– Tonga nitsidika sy nihaona mivantana tamin’ireo Polisimpirenena ao Toamasina ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police ERICK MICHEL, ny 25 Febroary 2026.
– Nandritra ny fitsidihana dia nankahery ireo mpitandro filaminana miasa eny ifotony izy, ary nanamafy fa tsy mahazo milavo lefona na dia eo aza ny fahasimbàna sy ny olana sedraina. Nambarany fa hijoro hatrany hanohana sy hitondra vahaolana ny fitondram-panjakàna, mba hahafahan’ny Polisimpirenena manohy hatrany ny asany amin’ny fiarovana ny vahoaka.
– Nisy ireo fotodrafitr’asa simba sy fitaovana tsy maintsy harenina haingana. Natomboka tao amin’ny biraon’ny Fitaleavam-paritriny ny Filaminambahoaka Atsinana ny fidinanana ifotony, nitohy tao amin’ny Kaomisaria foibeToamasina, teo ihany koa ny Tobin’ny FIP La Verrerie, ary nifarana tao amin’ny komisaria Mangarano.
– Nihaino sy nandray ireo tatitra avy amin’ny tompon’andraikitra Andriamatoa Minisitra, ary nanome toromarika hentitra momba ny fanarenana haingana sy ny fitohizan’ny asa andavanandro hatrany araka izay efa natao.

TOAMASINA : NITETY IREO TOBY SY BIRAO MISY NY POLISIMPIRENENA NY MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA, NANKAHERY IREO MPIARA-MIASA ARY NANOME TOROMARIKA AMIN’NY FIATREHANA HATRANY NY ASA.

Vous pourrez aussi aimer