➡️Ny andron’ ny 14 May sy 15 May 2025 dia nisitraka fampiofanana manokana avy amin’ny Birao Nasionaly miady amin’ny Famarinana Olombelona ( BNLTEH) ny Polisy miasa ao amin’ny fitaleavana misahana ny Fanaraha-maso ny Fifindra-monina ( DCM) sy ny Fitaleavana misahana ny Fanenjehana fandikan-dalàna (DPJ). Zava-dehibe amin’ity ady ity ny fampiofanana ny Polisimpirenena satria isan’ny ivon’ny ady amin’ny famarinana olombelona na eo amin’ny lafiny fisorohana na eo amin’ny lafiny fanenjahana ire sampandraharaha misahana izany ao aminy. Manoalana ny tranga famarinana olombelona sy ireo tranga miendrika famarinana olombelona ary koa ireo mety hitarika izany dia manana andraikitra lehibe ny Polisimpirenena ho fiarovana ny mpiray Tanindrazana.
➡️Niompana amin’ny fampahafantarana ireo endrika famarinana olombelona, ny lalàna mahakasika izany, ny fitorohana, ny fisorahana, ary ireo tekinika fanaovana fanadihadiana ity fampiofanana ity. Tonga nanokatra izany ny sekretera Mpanantanteraka eo anivon’ny BNLTEH, Atoa RAMAHANDRISOA Eric, niaraka tamin’ny Tale misahana ny Fikarohana sy ny Fampiofanana mitohy eo anivon’ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka, ny Contrôleur Général de Police RASOAMANANJARA Pierrette Marie Françoise sy ny Talen’ny Fanaraha-maso ny Fifindra-monina, ny Contrôleur Général de Police ANDRIANIRINARIVELO Jean Yves Rémi.
🎯 Miampy 25 indray izany ireo Polisy 60 mianadahy izay efa nahazo fiofanana amin’ny ady amin’ny famarinana olombelona, tamin’ ny volana Aprily lasa teo, raha ireo miasa eto amin’ny faritra Analamanga manokana. Polisy miisa 80 kosa ireo efa nisitraka fampiofanana ny an’ny faritra Atsinanana.

ADY AMIN’NY FAMARINANA OLOMBELONA (Traite des êtres humains) : NISITRAKA FAMPIOFANANA MANOKANA NY POLISIM-PIRENENA.

Vous pourrez aussi aimer