Fametrahana fandriam-pahalemana maharitra
➡️Nitohy teny amin’ny faritra Anosibe sy Anosizato Atsinanana ny hetsika manokana ataon’ny avy ao amin’ny Compagnie Urbaine d’Intervention sy ny UIR Tsaralalàna mba ho fametrahana fandriam-pahalemana maharitra.
Mandritra ny alina mandra-parain’ny andro ny hanaovana ny hetsika ka misy ny fisavàna ireo mpivezivezy
rehetra.
➡️Olona miisa 3 no voatazona nandritra ny hetsika ka ny 2 nahatratrarana zava-mahadomelina tany aminy ary ny iray kosa tsy nanaiky nosavaina ka nentina tany amin’ny biraon’ny Polisy nanaovana fanadihadiana.
➡️Mitohy amin’ny faritra maro eto Andrenivohitra ity hetsika manokana ity ankoatran’ny paikady izay efa apetraka isaky ny Kaomisarian’ny Polisy.

FAMETRAHANA FANDRIAM-PAHALEMANA MAHARITRA, LEHILAHY TELO VOASAMBOTRA TENY ANOSIBE : 2 NOHO NY FITAZONANA SY FIDOROHANA ZAVA-MAHADOMELINA, IRAY TSY NANAIKY NOSAVAINA

Vous pourrez aussi aimer