Ady amin’ny fanendahana eto Andrenivohitra
➡️Ny maraim-ben’ny 23 mey 2025 tokony ho tamin’ny 1 ora no nifanehatra tamin’ny Polisin’ny UIR sy ny CUI tany anaty elakelan-tranon’Antohomadinika IVO ity mpanendaka ity. Araka ny angom-baovao sy fitarainan’ny mponina dia elakelan-trano fivezivezena eny an-toerana izy io ary fanararaotan’ny mpanendaka noho ilay lalana izay mirantsana marobe ka mora handosiran’ny mpanao ratsy.
➡️Nandritra ny fisafoana mahazatra nataon’ny UIR sy ny CUI teny amin’iny faritra iny no nifanena tamina lehilahy miisa 4 ny Polisy tanaty elakelan-trano. Nasaina nijanona mba hosavaina ireto jiolahy ireto saingy tafaporitsaka nandositra tany anaty elakelan-trano avy hatrany ny 3 fa ity farany kosa nikasa hamely ny mpitandro ny filaminana tamin’ny antsy lava teny an-tanany ka voatifitry ny Polisy ary maty vokatry ny ratra mafy nahazo azy.
➡️Araka ny angom-baovao dia ireo mpiasa amina « call center », ny mpamily ary ny mpanampy azy, izay tsy maintsy mody amin’ny alina no efa lasibatr’ity mpanendaka ity sy ny namany.
➡️Mitohy ny fikarohana ireo namany ary tsy mikely soroka ny Polisimpirenena mametraka fandriam-pahalemana maharitra sy fanentanana ny mpiray Tanindrazana amin’ny fanomezana angom-baovao sy fitorohana ireo mpanao ratsy any anaty fiarahamonina.

JIOLAHY RAINDAHINY IRAY LAVON’NY BALAN’NY UIR TENY ANTOHOMADINIKA IVO