Ady amin’ny fidorohana sy fipariahan’ny zava-mahadomelina
➡️Notanterahina ny Alarobia 28 May 2025 maraina ny fandorana ireo rongony miisa 42 kitapo izay tratran’ny Polisimpirenena tao Ihosy, ka teo Ankadilanambe, no nanaovana izany.
➡️Ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon’ny tribonaly ambaratonga voalohany Ihosy no nitarika izao fandorana izao ka notronin’ny lehiben’ny kaomisaria Ihosy, ny Prefet, ny Governora ary ny avy amin’ny Zandarimaria.
➡️Vokatry ny fiaraha-miasa avy amin’ny olona tsara sitra-po nanome loharanom-baovao ny Polisy no nahatratrarana ireo rongony. Ny 11 Mey 2025, no tra-tehaka ny rongony miisa 34 kitapo tamin’ny lalam-pirenena faha 7, nandositra avy hatrany ireo olona nitondra izany raha vantany vao nahita ireo mpitandro filaminana. Ny 12 Mey 2025 kosa no tratra tao amin’ny fokontany Anadabo kaominina ambanivohitra Ankily ny gony miisa 08 nandritra hetsika fitsirihana nataon’ny Polisy.
➡️Nodorana tamin’ity fotoana ity ihany koa ny rongony miisa 10 kitapo izay saron’ny avy ao amin’ny Zandarimaria Ihosy.

IHOSY, FARITRA IHOROMBE. RONGONY 42 KITAPO, TRATRAN’NY POLISIMPIRENENA, NODORANA

Vous pourrez aussi aimer