« Ny Fitiavan-tanindrazana mitarika fandrosoana » ny lohahevitra entina hanamarihana izany amin’ity taona ity. Notsipihan’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina rahateo fa raha tsy ny fitiavan-tanindrazana no mibaiko ny asa, dia tsy ho tratra ny tanjona. Ary raha tsy ny Tanindrazana no laharam-pahamehana, dia tsy hisy ny fivoarana. Nanamarika ity fanombohana ofisialy ity ny fananganana ny sainam-pirenena narahin’ireo hetsika ara-kolontsaina toy ny diam-piaraha-mientana notanterahin’ireo Andrimpanjakana sy ireo minisitera nanasongadina ny Faritra 24.

02 JONA 2025- NANOMBOKA AMIN’NY FOMBA OFISIALY ANDROANY MANOLOANA NY LAPAN’NY TANANA ANALAKELY NY FANAMARIHANA NY FAHA-65 TAONA NIVERENAN’NY FAHALEOVANTENA SY NIJOROAN’NY FOLOALINDAHY MALAGASY

Vous pourrez aussi aimer