👉Ady amin’ny fanondranana ny harem-pirenena an-tsokosoko
➡️Tsy mitsahatra mivoatra ny teti-dratsin’ireo mpanondrana harena ankibon’ny tany an-tsokotsoko. Teratany Indiana iray indray no tratran’ny Polisy misahana ny sisin-tany teo amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny Alakamisy 5 Jona 2025 teo, raha nikasa hanondrana an-tsokosoko vovo-bolamena milanja 422,72 g.
➡️Nandritra ny fisavà na no nahità na fa misy endrika vovo-bolamena ny lovia tanimanga miisa 16 nentin’ity tera-tany Indiana ity. Rehefa nohamarinina tokoa dia hita fa norarahana vovo-bolamena ireo lovia tanimanga ireo ka norakofana tamin’ny loko mainty hampiraikitra sy hanakonana ireo vovo-bolamena izany.
➡️Rehefa voamarin’ny Polisy misahana ny harena an-kibon’ny tany fa vovo-bolamena tokoa ireo saika ho aondrana ireo dia nantolotra ny fampanoavana ity tera-tany indiana tompon’antoka ity ka nidoboka am-ponja vonjimaika any Tsiafahy.