Fampiofanana mitohy
✅Nifarana ny 11 jona 2025 tolakandro ny fiofanana momba ny fampianarana teny anglisy ho an’ny Polisimpirenena sy Zandarimariam-pirenena tao amin’ny Cité des Cultures Antaninarenina, izay nokarakarain’ny ELTA, izay fikambanana mpampianatra teny anglisy. Polisimpirenena miisa 04 sy Zandary miisa 04 no nisitraka izany.
➡️Ho an’ny Polisimpirenena manokana dia sady mpampianatra teny Anglisy eny anivon’ireo sekoly fampiofanana ho Polisy ireo nisitraka ny fampiofanana.
Fampiofanana izay ahafahana mamolavola fanadaharam-pampianarana vaovao sy miroso amin’ny tekinikam-pampianarana miompana amin’ny fampiharana izy ity.
➡️Fanombohana fotsiny ihany izao fampiofanana izao fa mbola hitohy amin’ny sehatra maro ny fiaraha-miasa.
Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny solontenan’ny masoivoho Amerikana eto Madagasikara, ary ireo mpampiofana avy amin’ny fikambanan’ireo mpampianatra teny Anglisy.

FANATSARANA NY FAMPIANARANA TENY ANGLISY ENY ANIVON’IREO SEKOLIN’NY POLISIMPIRENENA : NISITRAKA FAMPIOFANANA AVY AMIN’NY FIKAMBANANA MPAMPIANATRA TENY ANGLISY SY NY MASOIVOHON’I ETAZONIA IREO MAMPIANATRA

Vous pourrez aussi aimer