Tontosa teny amin’ny lapan’ny Fanatanjahantena sy ny kolon-tsaina Mahamasina, ny tolakandron’ny Sabotsy 14 Jona 2025, ny seho haiady izay tafiditra ao anatin’ireo hetsika fankalazana ny faha 65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara.
➡️Nandray anjara mavitrika tamin’ity hetsika ity ny avy eto anivon’ny Polisimpirenena izay nifandrimbonan’ireo sampan-draharaha misy ao amin’ny Ministeran’ny Filaminambahoaka. Nisongadina ny fanehoana ireo fahaizamanaon’ny Polisimpirenena ka endrika izay mety hiseho amin’ny ambana eny an-kianja no natao. Araka izany dia ny « Self défense policier » no nasehon’ny Polisimpirenena izay hifangaroan’ny haiady maro ahafahana miaro tena.
➡️Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izany teny an-toerana ireo Minisitra telo mirahalahy eo anivon’ny Hery Fiarovana sy Filaminana ; dia ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Jeneraly SAHIVELO Lala Monja Delphin, ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala ary ny Minisitra Delege Misahana ny Zandarimariampirenena, ny Jeneraly RAKOTONDRAZAKA Andriatsarafara