🏃‍♀️👨‍👩‍👧‍👦Mahasarika olona maro na ankizy, na tanora, na olon-dehibe ny Kerimesy Lehibe karakarain’ny Hery Fiarovana sy Filaminana, izay ivondronan’ny Tafika Malagasy, ny Polisimpirenena ary ny Zandarimariam-pirenena. Tontosaina eny amin’ny Kianjan’ny Barea Mahamasina nanomboka ny Talata 10 jona teo ary tsy hifarana raha tsy ny Alakamisy 19 Jona ho avy izao ity kerimesy ity.
👮‍♂️👮‍♀️Maro samihafa ny zavatra hita sy azo tsidihina eny an-toerana, toy ny fampirantiana ny tantaran’ireo Hery Fiarovana sy Filaminana, eo ihany koa ireo hetsika manome fahafaham-po ho an’ny mpitsidika amin’ny alalan’ny kilalao sy fialamboly maro.🎳
🚁🛩Hita eny an-toerana ny fakàna sary miaraka amin’ireo fitaovana fampiasan’ny mpitandro filaminana toy ny elikoptera, fiaramanidina, fiara mifono vy ary ny bemoto fampiasan’ny Polisimpirenena.
🔫🎭Anisan’ny mahasarika ny maro ny « Stand de tir » ahafahana manandrana mitifitra amin’ny basy fanaovana fanazaran-tena. Efa misy eny an-toerana ny fivarotana sakafo sy tsakitsaky isan-karazany. Ho an’ny tanora dia misy ny tranoheva manokana fampahafantarana momba ireo sekoly hidirana ho Miaramila, Polisimpirenena na Zandary.
✅Tena maro tokoa ny ankizy sy ny fianakaviana tonga mitsidika sy mandray anjara amin’ity hetsika lehibe ity.

MAHASARIKA OLONA MARO NY KERIMESY LEHIBE KARAKARAIN’NY HERY FIAROVANA SY FILAMINANA ETSY AMIN’NY KIANJA BAREA MAHAMASINA

Vous pourrez aussi aimer