Ady amin’ny fipariahan’ny vola sandoka
✅Taorian’ny fahatrarana vola sandoka tamin’ny ramatoabe 71 taona ny 12 jona 2025, dia olona 03 hafa indray no voasambotra ny 15 jona 2025 rehefa nikasa ny hanaparitaka izany tany Ambatolampy, faritra Vakinankaratra, izy ireo.
➡️Nandritra ny famotorana ilay ramatoabe no nahafantarana fa izy ireo no namatsy ireo vola sandoka izay nahatonga iry voalohany ho voasambotry ny Polisimpirenena.
➡️Nahitana vola sandoka mitentina 920.000 Ar tany amin’izy ireo nandritra ny fisamborana.
➡️Nentina avy hatrany nihazo ny Kaomisaria Boriborintany fahaenina izy 03 ireto ho hatao famotorana mialohan’ny hanolorana azy manoloana ny fampanoavana.

 

TOHIN’NY FAHATRATRARANA RAMATOABE NANAPARITAKA VOLA SANDOKA DIA LEHILAHY 02 SY VEHIVAVY 01 INDRAY NO VOASAMBOSITRY NY POLISIMPIRENENA TANY AMBATOLAMPY, FARITRA VAKINANKARATRA, TOMPON’ANTOKA TAMIN’NY FANOMEZANA IREO VOLASANDOKA HO APARITAKA

Vous pourrez aussi aimer