Ady amin’ny fanaovana hosoka
➡️Vehivavy mpianaka no tra-tehaky ny sampandraharahan’ny Polisimpirenena misahana ny heloka anabaka (Cybercriminalité) tany Tsiroanomandidy, ny 12 Jona 2025 ; mivarotra hosoka amin’ireny vokatra fikarakaràna tarehy ireny. Ireo marika lehibe sady lafo vidy ary malaza maneran-tany no entin’izy ireo mamitaka olona amin’izany. Mampiasa faktiora hosoka avy amina tranom-barotra goavana izay mpamongady ireo vokatra lafo vidy ireto vehivavy ireto entiny handresena lahatra.
➡️Efa voasambotry ny Polisimpirenena tamin’ny volana Febroary 2024 noho io heloka io ihany izy ireto, saingy mbola niverina nanao izany indray ka izao tratra izao.
➡️Fantatra ihany koa fa mampiasa ny tambajotra sosialy izy ireo mba hanapariahana ireo entana sandoka.
➡️Natolotra ny fampanoavana ireto mpianaka ireto ny 14 Jona 2025 ka naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora.

 

VEHIVAVY 02 MPIANAKA, MIVAROTRA “PRODUIT COSMÉTIQUE” SANDOKA, SARON’NY POLISIMPIRENENA TAO TSIROANOMANDIDY, FARITRA BONGOLOVA

Vous pourrez aussi aimer