Ady amin’ny fipariahan’ny zava-mahadomelina
➡️Ny 16 jona 2025 maraina, lehilahy miisa 02 handeha hivarotra rongony tao Mananara Avaratra niainga tao Analanampotsy no voasambotry ny Polisimpirena tanaty taxibrousse rehefa nandalo tamin’ny sakana nataon’ny Polisy.
➡️Tangozana rongony miisa 40 kasaina ho amidy ao Mananara Avaratra no tratra tany amin’ireto roalahy ireto ka nentina avy hatrany tany amin’ny biraon’ny Polisy izy ireo mba hanaovana fanadihadiana.
