Amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetim-pirenena izao, dia nanatanteraka hetsika fanomezana ho an’ireo olona tsy manan-kialofana eny an-dalambe ny FIVAPOVA ANALAMANGA ny alin’ny 23 Jona 2025. Lamba firakotra sy arendrina no natolotra ho mariky ny fifanomezan-tanana sy ny firaisankina.
✅Ity hetsika ity dia notarihin-dramatoa Faniry RAKOTOARIMANANA, vadin’ny Minisitrin’ny Filaminam-bahoaka sady Filoham-boninahitry ny FIVAPOVA. Nandray anjara feno tamin’ity tolo-tanana ho an’ny mpiara-belona ity ny mpandrindra nasionalin’ny FIVAPOVA sy ireo vehivavy tompon’andraikitra ambony ao amin’ny Ministeran’ny Filaminambahoaka.
✅Tsy mijanona amin’ny fanomezana ho an’ireo tsy manan-kialofana tahaka izao ihany ny asa sosialy ataon’ny FIVAPOVA raha ny manerana an’i Madagasikara. Tafiditra ao koa ny famangiana ireo voafonja sy ny fanampiana ireo zaza kamboty. Izao no natao dia mba ho fanatanterahana ny fijerena ny lafiny maha olona ka hitondràna ny anjara biriky amin’ireo mpiray Tanindrazana tojo fahasahiranana.
TOY NY FANAONY ISAN-TAONA AMIN’NY HETSIKA ARA-TSOSIALY HO FANAMPIANA NY MPIARABELONA DIA NIZARA LAMBA FIRAKOTRA SY ARENDRINA HO AN’IREO TSY MANAN-KIALOFANA ENY ANDALAM-BE NY FIVAPOVA ANALAMANGA