Ady amin’ny heloka anabaka
➡️Mivarotra sary sy horonantsary mamoafady anaty facebook no fidiram-bolan’ity tovolahy ity. Mampiasa sarin’olon-kafa sy anarana hafa izy ka nisy tamin’ireo olona efa lasibatra tamin’ny fangaralana sary nataony no nitory tao amin’ny sampandraharahan’ny cybercriminalité Anosy.
➡️Niroso tamin’ny fanadihadiana sy ny fikarohana ny Polisimpirenena ka tratra ny Alakamisy 19 Jona 2025 teo izy, tany Moramanga. Tao anatin’ny fanadihadiana no nahafantarana fa tetika fitadiavam-bola no tena ataony, ka manomboka amin’ny 15 000 Ar hatramin’ny 20 000 Ar no azony amin’ny olona iray amin’ny fivarotana sary sy horonantsary mamoafady ka efa maro no tratrany. Fantatra ihany koa fa sary sy horonantsary tsy misy ifandraisany amin’ny sarin’olona angalariny no alefany rehefa azony ny vola.
➡️Natolotra ny fampanoavana ny 23 Jona 2025 lasa teo ity lehilahy ity, ka nampidirina am-ponja vonjimaika.