Fijerena ny lafiny maha olona sy fionana mitohy
➡️Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Polisimpirenena malagasy sy ny Polisy frantsay dia misy hatrany ireo Polisy malagasy manaraka fiofanana amin’ireo Sekoly ambonin’ny Polisy any Frantsa isan-taona.
➡️Taorian’ny iray taona nanarahana ny fiofanana dia tafaverina an-tanindrazana ny Commissaire de Police ANDRIAMIHARIMANANA Rojo sy ny Officier de Police SARISAINA Micky Neslon. Samy voafidy ho mpiofana mendrika indrindra tamin’ny andiany misy azy avy ireto Polisimpirenena malagasy ireto satria samy Major de Promotion izy ireo tamin’ny fiofanana izay nataony.
➡️Ny Commissaire de Police ANDRIAMIHARIMANANA Rojo dia tao amin’ny École Nationale Supérieure de la Police (ENSP) ao Saint-Cyr-au-Mont-d’Or France ary ny Officer de Police SARISAINA Micky Neslon kosa dia tao amin’ny École Nationale Supérieure des Officiers de Police (ENSOP) ao Cannes-Écluse.
➡️Firenena maro maneran-tany no manaraka fiofanana amin’ireo sekoly ambony ho an’ny Polisy any frantsa ireo saingy misongadina hatrany ny malagasy. Tsy vao izao araka izany no nahazo ny major de promotion ireo Polisimpirenena malagasy manaraka fiofanana any Frantsa.