➡️Nandray sy naneho fisaorana ary fankasitrahana manokana ho an’ireo Polisimpirenena Malagasy roa, dia ny Commissaire de Police ANDRIAMIHARIMANANA Rojo sy ny Officier de Police SARISAINA Micky Neslon, izay nahavita ny fiofanana nandritra ny herintaona tany Frantsa ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala ny 30 Jona 2025.
➡️Ity vokatra ity dia porofon’ny fahaiza-manaon’ny Polisimpirenena Malagasy hoy ny Minisitry ny Filaminambahoaka. Araka izany, nandrisika azy ireo mba hitozo hatrany amin’ny asa ary hampihatra ny fiofanana azony ho an’ny fiarovana ny mpiray Tanindrazana andriamatoa Minisitra. Tsy tokony ho hadinoina ihany koa ny mizara ny traikefa azo ho an’ireo mpiara miasa eto anivon’ny Polisimpirenena hoy ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala.
➡️Nanotrona ity fotoana ity ireo tompon’andraikitra ambony avy ao amin’ny Ministeran’ny Filaminambahoaka.

 

NORAISIN’NY MINISITRY NY FILAMINAMBAHOAKA IREO POLISIMPIRENENA MALAGASY MENDRIKA TAMIN’NY FIOFANANA TANY FRANTSA MBA HO FANKASITRAHANA SY FISAORANA AZY IREO, FA INDRINDRA MBA HO FAMPORISIHANA HATRANY HANOHY NY FAHAMENDREHANA EO AMIN’NY ASA

Vous pourrez aussi aimer