Polisimpirenena miaro sy manampy ny vahoaka
➡️Ny 01 Jolay 2025 lasa teo dia nanao fanambarana tamin’ny tambazotran-tserasera indray ny Raiamandrenina zatovovavy kely iray 17 taona, fa nandao ny tokan-trano indray io zazavavy io. Raha ny voalazan’izy ireo dia efa nitsoaka nandositra nandritra ny 10 andro izy talohan’izao, ary niverina ny 23 jona 2025 lasa teo.
➡️Nijanona 01 andro monja anefa izy dia lasa indray niala ny tokan-tranon’ny raiamandreniny ny 25 Jona 2025.
➡️Raha nahita izany ny Polisy miady amin’ny heloka mamoafady sy miaro ny zaza tsy ampy taona ary ny olona marefo (PMPM) ao amin’ny kaomisaria Sabotsy namehana dia nandray ny andraikiny, nanadihady ireo Ray aman-dReny izay mipetraka ao amin’ny fari-piadidiany, ary nirotsaka an-tsehatra tamin’ny fikarohana azy. Ny 02 jolay 2025 dia hita teny 67 ha ity tovovavy ity.
✅Efa am-pelatan’ny Polisy ny raharaha ka ho atolotra ny mpitsara misahana ny zaza tsy ampy taona izany rehefa vita ny fanadihadiana savaranonando.

 

HITA ILAY ZATOVO VAVY TSY AMPY TAONA NANDAO NY TOKAN-TRANON’NY RAIAMANDRENINY

Vous pourrez aussi aimer