Ady amin’ny fidorohana sy fipariahana zavamahadomelina
➡️Nandritra ny hetsika manokana nataon’ny Polisin’ny SUT Toamasina tao Ankirihiry, ny talata 15 Jolay 2025, no nahatratrarana ireto mpidoroka zava-mahadomelina mahery vaika ireto. Araka ny fitarainan’ny mponina dia maro ireo tanora no roboka amin’ny fidorohana zavamahadomelina mahery vaika ao amin’ity fokontany ity ka nanaovan’ny Polisimpirenena Bemidina.
➡️Tratra nandritra izany ny lehilahy miisa 12 sy vehivavy iray. Mbola hita teny amin’izy ireo ny fonosana rongony mahery vaika samihafa toy ny rôro sy rongony vaovao hafa indray antsoina hoe côcô, izay mifanakaiky amin’ny cocaïne ; mbola tratra tany amin’ireto olona ireto ihany koa ny fitaovana maro sy akora entina midoroka zava-mahadomelina mahery vaika.
➡️Nentina avy hatrany teny amin’ny biraon’ny Polisy izy ireo hanaovana fanadihadiana mialohan’ny fanolorana azy ireo eo anatrehan’ny fampanoavana.

 

LEHILAHY MIISA 12 SY VEHIVAVY IRAY, VOASAMBOTRA NOHO NY FIDOROHANA SY FITAZONANA RONGONY MAHERY VAIKA TAO ANKIRIHIRY TOAMASINA

Vous pourrez aussi aimer