Ady amin’ny fidorohana sy fanamparitahana zava-mahadomelina
➡️Lehilahy miisa roa no voasambotry ny Polisy miasa ao Antsiranana noho ny resaka fidorohana sy fivarotana cocaïne.
➡️Ny 16 jolay 2025 alina no tratra teo amin’ny fokontany Avenir ny iray tamin’izy ireto. Nahitana fonosana cocaïne miisa 3 sy rongony « skunk » tao an-tranony nandritra ny fisavàna nataon’ny Polisy.
Rehefa natao ny famotorana dia nanoro ny namany no sady mpamatsy ireo zava-mahadomelina ireo izy.
➡️Ny 17 jolay 2025 no voasambotra ilay namany ary fantatra nandritra ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny sampandraharahan’ny « Stup » ao Antsiranana fa isan’ireo manaparitaka ireo karazana zava-mahadomelina mahery vaika ireo izy roalahy ireto, ary mbola misy namany hafa karohina.
✅Nidoboka am-ponja ao Antsiranana izy roalahy taorian’ny nanolorana azy teo anatrehan’ny fampanoavana ny Alatsinainy 21 Jolay 2025.

 

LEHILAHY ROA MPIDOROKA SY MPIVAROTRA COCAÏNE VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA TAO ANTSIRANANA

Vous pourrez aussi aimer