Mpikambana vitsivitsy eo anivon’ny Governemanta no tonga namita iraky ny Filoham-pirenena androany tao Antsirabe, nidina ifotony nijery ny fahavoazana tao amin’ny tsena Sabotsy, nitafa mivatana tamin’ireo niharam-boina ary nitondra fanampiana ihany koa.
Araka izany, tonga tany Antsirabe ny Minisitry ny Fitsaràna, Andriamatoa RAKOTOMANDIMBY Benjamin Alexis ; ny Minisitry ny Ati-tany, Ramatoa RAHAJAVOLOLONIAINA Niritsoa ; ny Minisitry ny Asa, ny Fampanana Asa, ny Asam-panjakàna ary ny Lalàna sosialy, Ramatoa RAZAKABOANA Hanitra ; ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina, Ramatoa RAZAFINJATO Aurélie ary ny Minisitry ny Filaminambahoaka, ny Inspecteur Général de Police RAKOTOARIMANANA Herilala.
Fanampiana avy amin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy avy amin’ny BNGRC no nentin’ireto mpikamban’ny Governemanta ireto ka nisy ny dinidinika sy tafa mivantana nifanaovan’izy ireo tamin’ireo niharam-boina, natao tao amin’ny ACMIL Antsirabe.
Nanotrona ireto iraka avy amin’ny fitondram-panjakàna ireto ny Governoran’ny faritra Vakinankaratra, ny Solombavambahoaka, ny Prefen’Antsirabe, ny Ben’ny tanàna ary manam-pahefàna miaramila sy sivily maro. Nitondra ny tenin’ny Filohan’ny Repoblika ireto mpikamban’ny Governemanta ireto ary nilaza fa tsy maintsy ho atsangana faran’izay haingana ny tsena Sabotsy ao Antsirabe.

FAHAMAIZAN’NY TSENA SABOTSY AO ANTSIRABE : NANOME FANAMPIANA HO AN’IREO RAVA FANANANA NY FITONDRAM-PANJAKANA

Vous pourrez aussi aimer