Ady amin’ny tsy fandriampahalemana
➡️Ny maraimben’ny 24 Jolay 2025, dia nahazo loharanom-baovao ny Polisimpirenena avy ao amin’ny FIP Toamasina, milaza fa misy andian-jiolahy mitondra antsy lava sy sabatra mihaodihaody sy mikonokonona hanatanteraka asa ratsy sy fanafihana manodidina ny fokontany Andranomadio sy Ambodivolo.
➡️Nidina ifotony avy hatrany ny Polisy ka nanao velam-pandrika. Tamin’io fotoana io, dia nisy Polisy iray nanao fitafy sivily no saika horobain’ireo olon-dratsy sy hanaovan’izy ireo herisetra teny amin’ny faritra Ambodivolo. Tsy nampoizin’ireo jiolahy anefa fa efa niandry sy niomana avy lavitra ny Polisin’ny FIP manara-maso ny fihetsik’izy ireo.
➡️Niditra an-tsehatra avy hatrany ny Polisy, ka raikitra ny fifandonana. Nanao fanoherana sy nampiasa antsy lava sy sabatra ireo jiolahy. Niaro tena noho izany ireo Polisy ka maty voatifitra teo no ho eo ireo jiolahy efatra, izay efa nokarohina hatry ny ela noho ny asan-jiolahy mitam-piadiana sy fanafihana mahery vaika nataony teto Toamasina araka ny fanadihadiana natao.

 

JIOLAHY RAINDAHINY MIISA EFATRA, MALAZA AMIN’NY FANAFIHANA MITAM-PIADINA SY HERISETRA AO TOAMASINA MATY VOATIFITRY NY POLISY

Vous pourrez aussi aimer