Ady amin’ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina
_Voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisarian’ny Boriboritany Voalohany Antsiranana ny alahady 20 jolay 2025 tao Ambalavola, ny lehilahy iray, nahatratrana rongony tao anaty kitapony, nandritra ny fisafoana amin’ny alina nataon’ny Polisy.
_Natao avy hatrany ny fanadihadiana azy teny anivon’ny kaomisaria. Nandritra izany no nahafantarana fa vehivavy iray monina ao Mahavokatra no mpamatsy azy amin’ity zava-mahadomelina ity.
_Ny 21 jolay 2025, nanao velam-pandrika ny Polisy ka tratran’izy ireo tao an-tranony ilay vehivavy ary mbola nahitàna fonosana rongony maromaro nafenina tao aminy. Fantatra fa isan’ireo mpivarotra rongony ao Toamasina izy roa ireto.
_Samy notanana avy hatrany eny anivon’ny biraon’ny Polisy izy ireo hanohizana ny fanadihadiana mikasika ity raharaha ity.

 

LEHILAHY IRAY SY VEHIVAVY IRAY NO VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA TAO ANTSIRANANA NOHO NY RESAKA FIVAROTANA RONGONY

Vous pourrez aussi aimer