Ady amin’ny asan-jiolahy
✅Jiolahy raindahiny efa mpamerin-keloka tamin’ny halatra moto sy famakiana fiara mipetraka amoron-dalana ity maty voatifitra ity. Nandritra ny fisafoana nataon’ny Unité d’Intervention Rapide ao Toamasina teny amin’ny faritra amoron-dranomasina MIAMI, ny alin’ny 30 jolay 2025 no nahatratrarana ambodiomby ilay jiolahy.
-Rehefa voasambotra izy dia niaiky ny hitoroka ireo namany.
✅Nony tonga teny an-toerana anefa dia nitsoaka tampoka ilay jiolahy. Efa nanaovana tifitra fampitandremana fa tsy nijanona, nanao nitifitra ho fampijanonana azy ny Polisin’ny UIR ka maty vokatry ny ratra mafy nahazo azy ity jiolahy ity.

 

JIOLAHY RAINDAHINY EFA KALAZA AMIN’NY HALATRA MOTO SY ANATY FIARA NO MATY VOATIFITRY NY POLISIMPIRENENA TAO TOAMASINA

Vous pourrez aussi aimer