-Tontosa ny Zoma 01 Aogositra 2025 tao amin’ny village touristique Mahajanga ny fanokafana ny fifaninanana ara-panatanjahantena ho an’ny mpiasam-panjakàna sy ireo andrim-panjakàna, andiany faha fito, na ny ASIEF, izay hizotra mandritra ny 15 andro. Taranjam-panatanjahantena maro no hifaninanana mandritra izao hestika izao.
✅Mpikamban’ny Governemanta vitsivitsy no tonga nanome voninahitra ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy, ankoatra ireo manam-pahefàna sivily sy miaramila avy ao Mahajanga sy ny faritra Boeny.
-Toy ireo andrim-panjakàna rehetra dia mandray anjara mavitrika amin’ity fiafaninanana ity ny Minisiteran’ny Filaminambahoaka sy ny Polisimpirenena, avy amin’ny sampan-draharaha maro eto anivon’ny Minisitera.
-Nanolotra vatsin-dalana sy nitsodrano ireo Polisy mandray anjara amin’ity fifaninana ity, mba hitondra vokatra tsara sy ho voninahitry ny Minisitera, ny Minisitry ny Filaminambahoaka ny Inspecteur General de Police RAKOATOARIMANANA Herilala.

ASIEF NASIONALY 2025 : MANDRAY ANJARA FENO NY MINISITERAN’NY FILAMINAMBAHOAKA ANY MAHAJANGA

Vous pourrez aussi aimer