Tontosa ny marainan’ny 1 Aogositra 2025 tao amin’ny gymnase Arena Toamasina ny fivoriamben’ny FIVAPOVA mandritra izao zaikabe andiany faha 4 izao.
✅Izany dia notarihin- dRamatoa Faniry RAKOTOARIMANANA, vadin’ny Minisitry ny Filaminambahoaka sady filoham-boninahitry ny fikambanana. Anisan’ny lahadinika lehibe ny fomba entina mampiroborobo hatrany ny fikambanana sy fampivoarana ny mpikambana tahaka ny fanomezana tolotra fampiofanana isan-karazany. Eo ihany koa ny ahafahana manao fifanakalozana isam-paritra.
➡️Tapaka tamin’ity fivoriana ity ihany koa fa any Mahajanga no hanatontosana ny zaikabe andiany faha dimy amin’ny taona 2028.

FIVORIAMBEN’NY FIVAPOVA NANDRITRA NY ZAIKABE ANDIANY FAHA EFATRA : TANJONA NY HAMPIROBOROBO HATRANY NY FIKAMBANANA

Vous pourrez aussi aimer