Ady amin’ny fisolokiana
✅Ny tolakandron’ny 02 Aogositra 2025, vehivavy iray no nilaza fa hividy « balle friperie » tamina mpamongady iray tetsy Ambodinisotry. Nilaza izy fa handoa izany amin’ny Mobile Money, ka nisy mpiasan’ilay mpamongady nanaraka azy haka ny vola, teny an-dalana dia noreberebeny ilay mpanara-dia azy ka nanararaotra nitsoaka nitondra ny entana nitsoaka ity vehivavy ity.
-Nampandre ny Polisy ny tompon’entana ka nirosoana avy hatrany ny fikarohana ity vehivavy mpisoloky ity, voasambotra teny amin’ny manodidina ihany izy, ary tsy hita teny aminy intsony ilay entana fa efa namidiny.
-Nentina avy hatrany teny amin’ny Kaomisarian’ny Boriboritany faha 04 Isotry ilay vehivavy mba hanaovana fanadihadiana.
VEHIVAVY NISOLOKY HO MPIVIDY « BALLE FRIPERIE » NOSAMBORIN’ NY POLISY TETSY AMBODIN’ISOTRY