Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana
-Lehilahy iray monina eny Anosibe no tra-tehaky ny Polisy miasa ao amin’ny Komisaria Boriborintany faharoa ambodiomby nangalatra moto teny Andohanimandroseza ny harivan’ny 03 Aogositra 2025.
-Nanararaotra ny olona variana ka nihevitra ity mpangalatra ity fa tsy hisy hahita kanjo nifanehatra tamin’ny Polisy.
-Nentina avy hatrany eo anivon’ny Kaomisaria ny raharaha ary efa tonga nametraka fitoriana ihany koa ilay tompon’ny moto.