Nanomboka ny voalohan’ny volana aogositra 2025 teo ny fifaninana CJSOI andiany faha 13 na ny Commission de la Jeunesse et des Sports de l’Océan Indien atao atsy amin’ny Nosy Seychelles.
Taranjam-panatanjahantena maro no hifaninananana mandritra izany.
– Isan’ireo delegasiona malagasy tonga atsy amin’ny Nosy Seychelles i RAJAONARISON Herinirina Samoelina, Inspecteur de Police miasa ao amin’ny Police de l’Air et des Frontières Ivato. Izy no malagasy tokana mpitsara iraisam-pirenena eo amin’ny taranja volley ball ka voaantso amin’ny fifaninana CJSOI. Efa isan’ireo mpitsara voaantso amin’ny lalao irasim-pirenena matetika moa ny tenany ary izao mbola voaantso hitsara mandritra ny CJSOI izao indray.

FIFANINANANA CJSOI 2025 ATSY AMIN’NY NOSY SEYCHELLES : MPITSARA MALAGASY TOKANA AMIN’NY TARANJA VOLLEY BALL NY INSPECTEUR DE POLICE RAJAONARISON HERINIRINA SAMOELINA

Vous pourrez aussi aimer