Ady amin’ny fanaovana hosoka
– Ny 31 Jolay 2025, lehilahy iray no tonga tao amin’ny cash point iray tao Ambilobe fa hanao petra-bola amin’ny findainy. Rehefa vita ny fifanakalozana, dia tsikaritr’ilay mpiasa tao amin’ilay cash point fa vola sandoka avokoa no nampiasan’ilay lehilahy.
– Nampandre ny Polisy avy hatrany ilay mpitantana cash point ka tonga haingana teny an-toerana ny Polisy ary noraisim-potsiny ilay lehilahy. Vola sandoka 20 000 ariary miisa 30 no namitahany ilay mpanao cash point tamin’io. Nentina avy hatrany teny amin’ny kaomisarian’ny Polisy ao Ambilobe izy nanaovana fanadihadiana ary natolotra ny fitsarana androany 05 Aogositra 2025 ka naiditra vonjimaika.

 

LEHILAHY IRAY NOSAMBORIN’ NY POLISY NOHON’NY FAMITAHANA MPANAO CASH POINT TAMIN’NY VOLA SANDOKA TAO AMBILOBE.

Vous pourrez aussi aimer