Ady amin’ny asan-jiolahy
✅Nandritra ny fisafoana mahazatra fanaon’ny Polisin’ny Unité d’Intervention Rapide (UIR) tamin’ny fokontany Mangarano II sy ny manodidina no nifanehitra tamina andian-jiolahy ireo mpitandro ny filaminana.
➡️Rehefa niroso tamin’ny fampijanonana mba ho fisavàna ireo UIR dia namaly sy nampiasa ireo fitaovana teny an-tanany ireo olon-dratsy mba hamelezana ny Polisy. Niaro tena noho izany ireo Polisy, vokany jiolahy miisa 04 no maty voatifitra.
➡️Fantatra fa jiolahy efa mpampihorohoro ny fokontany Mangarano II sy ny manodidina izy ireto ary efa nokarohina efa ela.