Ady amin’ny asan-jiolahy
✅Jiolahy iray no voasambotry ny Polisin’ny SAG raha nikasa handroba tokan-trano iray tetsy Anosizato Atsinanana ny maraimben’ny 10 Aogositra 2025.
▶️Nisy namana niaraka taminy ity jiolahy ity ary nangalatra vy tao amin’io tokan-trano io.
Nanao antso vonjy ny lasibatra, ka tonga teny an-toerana haingana ny Polisin’ny SAG.
▶️Tratra ambodiomby niaraka tamin’ny entana nangalariny ity jiolahy ity raha tafaporitsaka kosa ny namany.
▶️Nentina eo anivon’ny Kaomisaria Boriborintany fahadimy ny raharaha, ho fanohizana ny fanadihadiana.

 

VOASOROKA NY FANAFIHANA NATAONA ANDIAN-JIOLAHY TENY ANOSIZATO ATSINANANA NOHO NY FIROTSAHANA AN-TSEHATRA NATAON’NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer