Ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana sy fandrobàna fiara amin’ny lalam-pirenena faha-2.
✅ Vokatry ny hetsika haingana nataon’ny Polisy avy ao Moramanga taorian’ny fitarainana nataon’ny mpamily fiarabe mpitatitra entana avy any Toamasina miakatra aty Antananarivo, ny alin’ny 11 Aogositra hifoha ny 12 Aogositra 2025, no nahatratrarana ireo olona miisa 8 tompon’antoka amin’ny fandrobàna fiara manodidina an’i Moramanga.
✅ Olona 2 no voasambotra voalohany niaraka tamin’ny entana nangalarina tamin’io fiarabe io. Teo anelanelan’i Moramanga sy Ampasipotsy Gare no namakiany ilay fiarabe. Nandritra ny famotorana dia niaiky izy ireo fa nangalatra tokoa, ary nanoro ireo namany hafa sy ny toerana fanafenana ny entana halatra. Nosamborina avy hatrany ireo namany tamin’ity raharaha ity ka lehilahy 5 sy vehivavy 3 izy ireo no anatin’ity andian-jiolahy mpandroba fiara ity.
✅ Naverina tamin’ilay mpamilin’ny fiarabe ireo entana rehefa vita fanamarinana, notanana natao andri-maso kosa izy 8 mba hanohizana ny fanadihadiana mialohan’ny hanolorana azy ireo eo anatrehan’ny fampanoavana.