Ady amin’ny fakàna an-keriny
-Raha tsiahivina dia nisehoana fakana an-keriny zazavavy kely 5 taona tao Ambohimandroso Amparafaravola, Faritra Alaotra Mangoro, ny 13 aogositra 2025 hariva.
-Nitaky vola 150 tapitrisa Ariary tamin‘ny reniny moa izy ireo ary taorian‘ny fifanarahana dia tapaka fa 50 tapitrisa Ariary no homena. Natao ny fifanaovam-potoana ary nametraka vela-pandrika ny mpitandro ny filaminana ka olona miisa dimy no vaosambotra ny 14 aogositra 2025.
-Taorian‘ ny fanadihadiana nataon’ny Polisimpirenena, natolotra ny fitsaràna ny 20 aogositra 2025 ireo voasambotra ary naiditra am-ponja vonjimaika ny vehivavy miisa roa sy lehilahy miisa roa izay anisan’ny atidoha niketrika ny fakana an-keriny. Ny vehivavy iray faha dimy kosa dia eo ambany fanarahamason’ny fitsarana.
– Mitohy hatrany ny fikarohana ny naman’ireto mpaka an-keriny ireto.

 

JIOLAHY MPAKA AN-KERINY TAO AMBOHIMANDROSO, FARITRA ALAOTRA MANGORO, VOSAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA ARY NAIDITRA AM-PONJA AO AMIN’NY FONJAN’AMBATONDRAZAKA

Vous pourrez aussi aimer