Ady amin’ny fidorohana sy fipariahan’ny zava-mahadomelina
– Nahazo vaovao ny Polisy fa misy olona mitondra rongony ao anaty valizy 4 hiaraka amin’ny fiara taxi-brousse iray ho any Antananarivo, niainga tao Ihosy.
– Rehefa nosavaina teo am-piaingàna ilay fiara dia tratra tokoa ireo valizy miisa 4 izay nanafenana ireo rongony.
– Tsy hita kosa ireo mpandeha roa rehefa nanamarina ny mpandeha izay tokony hiaraka amin’ilay taxi-brousse ny Polisimpirenena.
– Nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny Polisy ao Ihosy hitadiavana izay tompon’antoka amin’izao trafikana rongony izao.