Ady amin’ny fanaovana hosoka isan-karazany
– Voasambotry ny Polisimpirenena ao Ambositra ny lehilahy iray, taorian’ny nahitana vola sandoka miisa efapolo (40), mitentina roa alina ariary (20 000 Ar) isanisany teny aminy, ny tolakandron’ny alatsinainy 06 oktobra 2025, tao an-toerana.
– Nandritra ny fisafoana natao manodidina ny tanàna no nahazoan’ny Polisy vaovao maripototra milaza fa misy olona mitondra sy manaparitaka vola sandoka manodidina ny faritra Avaratr’i Bénédictine Ambositra.
– Nosavaina ity lehilahy izay voatondro ho nitondra vola sandoka ity ka tratra tany aminy ireo vola sandoka ireo. Vola sandoka 20.000 Ariary miisa 40 no hita tany aminy.
– Notanana ao amin’ny Kaomisarian’ny Polisy ao Ambositra ity lehilahy ity, mba hanokafana fanadihadiana ary ho atolotra ny fampanoavana.

 

AMBOSITRA : LEHILAHY IRAY NAHATRATRARANA VOLA SANDOKA, VOASAMBOTRY NY POLISIMPIRENENA

Vous pourrez aussi aimer