– Ady amin’ny halatra omby
– Tamin’ny 17 septambra 2025, tokony ho tamin’ny 11 ora alina, dia nisy fanafihan-dahalo nitranga tao amin’ny kaominina Manandriana. Omby miisa roa no lasan’ireo jiolahy nandritra izany fanafihana izany.
– Ny iray tamin’ireo omby dia tafaverin’ny fokonolona, raha ny iray kosa dia novonoin’ireo dahalo ary notaterin’izy ireo, avy eo navelany tao amin’ny tanànan’i Manambaroa, fokontany Ambohipana, kaominina ambanivohitra Ambovombe Centre.
-Nanomboka tamin’io fotoana io no efa nanokatra ny fanadihadiana sy nikaroka ireo olon-dratsy ny Polisimpirenena tao Manandriana.
– Ny 6 Oktobra 2025, nisy ny loharanom-baovao milaza fa tao amin’ny fokontany Fihasinana no miery ireo jiolahy ka ny maraim-ben’ny 7 Oktobra 2025 dia nidina ifotony tany an-toerana ny mpitandro filaminana.
– Rehefa tonga tao Fihasinana dia nitifitra ireo mpitandro ny filaminana avy hatrany ireo olon-dratsy ka raikitra ny fifandonana. Lavo tamin’izany ny iray tamin’ireo dahalo raha tafaporitsaka ny ambiny.
– Mbola mitohy ny fikarohana azy ireo.